Hafatra (Lyandy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Oram-be mivatravatra, kotro-baratra milatsaka .. tsy mety tony,
Rivotra misafoto,mandrava izay naorina,
Izato Havandra manimba sy ny forongony,
Mandrotika fanahy, mampitondra fahoriana.

Mitamberina ao an-tsaina avokoa ireo lasa,
Toa mampatahotra indrisy, maha-ory loatra AHY,
Dia Ilay nitia anao iny , izay MBA nokinasa,
Miniotra iray navesatra, nandrotika fanahy!

Ny nitia anao iny anie ka zary olatra ho AHY,
Iny ianao nikopa-kelatra, nanidina any ho any,
Namela ahy ho irery ; lasa ianao nandao tsy amin'ahiahy,
Nilamin-tsaina aoka izany, tsy nandrotsaka tomany....

Hadinoiko izao ny lasa niainantsika roa,
Vato misaka ahy tsy handroso, tsy hitady zava-tsoa,
Ianao no lasa fa ny fiainako mitohy,
Ny fontsika roa izay teny nifandrohy?

Sento tokana sisa no anadinoiko anao,
Tsy resy aho tsy akory raha miantsa toy izao,
Fa tiako ho tsapanao fa ny hambom-po samy manana,
Ka samia re Isika MBA ho tojo fiadanana!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
232 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lyandy
Nampiditra : Lyand2345
Daty : 19/06/2025 06:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119