TIA (Mahalia❤✨)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIA

(...)
Manjohy anao ombieny ny saiko sy ny foko fa tsy mahasahy miteny,
Mamela anao hianoka hasambaran-tsy hita isa eny an-tsandrin'olona eny!
(Na dia mipitrapitra?maniry ny amintsika.)
Dia mitady anao ho nofy hampitonitony saina f'izany mantsy ikÿ no mba noheveriko ho tsara,
Kanefa ankehitriny efa mila haningotra aina,ilay manaraka tsy satry ny fizotran'ny tantara.
(...)
Ianao moa tena tiana ka tsy azo hodian-tsy hita toy ny aloka miserana,
Izy indray mitia anao tsy manampo mihitsy izay mety handimby toerana
(Fa resinao am-po)
Izaho manondri-doha bedesin'ny eritreritro fa te hiantoratoraka...
Mitia anao mangina tsy fantatrao akory...tsy afa-mihorakoraka.
(...)

Sisa azo atao...
Mampionona ny saina dia mankafy anao?

✍️Mahalia ❤️✨
24092017
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
47 2
Mpakafy: Djess - ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0326