Niara-dia (mandan'ny fo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isika lay mpinamana fahiny
Tsy nifankafoy fa nifanjohy teny foana
Isika lay mpisakaiza tsy mba nanantsiny
No hany nosarahin'ny taona

Nifandao tsy satry, tsy mba nisy filazana
Tsy mba nisy fifandraisana koa
Isika zary nifamoy ampo tsy tazana
No indrisy niandry lay tontolo faha-roa

Ankehitriny anefa toa indro ianao iny
Sendra nitsipalotra ny masoko
Kay iny lay sakaizako fahiny no
Zary nanaitra ny foko indray

Ka ilay sakaiza fahiny no injao lasa olo-tiana
Nifankatia ampo tokoa
Na mafy aza ny ady, hiafiana
Satria mamy ny fiainan-tsika roa

Mamy ka zary nofy tsy tina ho vonoina
Lay anilanao efa kinendry
Ka tsarovy ary aza adinoina fa
Tia anao ity foko kely hendry
--------
Rohy:
82 1
Mpakafy: Eliasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mandan'ny fo
Nampiditra : RwodyN
Daty : 16/09/2024 20:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142