Ampidiro aloha ny tenimiafina
Voankazo voarara (Mandefitra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voankazo voararaTiako ianao kanefa,
fitia tsy ho tanteraka
fa diso fiantefa....
ny saiko indray no reraka
Hena antanan-tsaka,
mofo antanan-jaza:
menatra aho raha haka,
sao koa misy mandaza
voankazo misy tompony,
madera anaty fefy
masaka ifotony
ny hanitra tsy lefy
Nefa de tsy ho ahy,
na satriko laingosana
toa fakam-panahy
ty bikanao nofosana...
Iriko raha iriko,
ho tojo toa anao:
endrik'ilay tiako
mambabo tsotra izao.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiononana
Mpakafy:
fiaritiana
Hevitra mandeha
fiaritiana
(
06/02/2006 15:41)
hummmmm!tena tsara ange izy izany e!tandremo àry sao alaina indray izy nefa efa misy tompony a!
Mandefitra
(
13/02/2006 11:11)
misaotra
