TRANO RAVA (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saika noravahako ho tantara an-tsoratra
Ity tononkalo ity, fa nihisatra ny vava,
Nifamatotra ny rantsako!
Folo taona katroka, nampivarahontsana
No hotehirizin'ity trano haolo rava
Nirodana ambongadiny
teto am-pelantanako.

Raha tsy nisy mantsy ny fototra niarahana,
Ka tsisy ahidratsy niarahana nanàla,
dia tsy nisy fahasarotana.
Ka tsy nisy koa fandrese-nifanapahana
Na lamba nozaraina tamin'ny ali-mamanala
Na voinam-pahantrana
Henatra nifanakonana.

Indray harivariva izay, alinalina moa kay...
Taona roa arivo, iray sy roapolo amby...
Teo ambony lamba fotsy!
Volana Oktobra, teny Ambatoroka...
Tonga teo : Ny tanjona niriako taminay
Voady sokosoko tsy natrehin'izan'iza
Niara nandohalika, sy nifandray tànana,
...dia teo, nilokaloka!

Fotoana fohy ihany, taorianakelin'iny,
dia nivadika ho olitra ny vary mangatsiaka!
Tsy nikatona ny fery.
Izy roa vavy anefa, efa saika nanantena...
Hoe ela ihany ny ela, ka niova ihany isika.
Tsy hiady lava intsony...
...izany i dada sy i neny...

Novesaran-drahona aman-taona, tsy mampino!
Fa tsy foinay noravana ny ankohonanay : Safidy!
Feno vava tsy ambina sy fo tsy mahay mitony.
Fa tiana sy niezahana...
Nezahana naharina!
Na tsy resy lahatra aza, lainga raha hifanadino!
Namboly "ny fitiavana tena mandrakizay"
Tao anaty gidragidra sy adim-piainana mangidy!
Samy efa nisalasala...
...nefa hay nitsiry marina!

"Fa ho avy", hoy izy ny andro, "hanovako ny tantara,
Hahitako ilay anjarako, ary tsy ianao izany!
Tsy ho tratranao nahoviana!Ny ho aviko mamiratra,
Tsy misy sarinao!"...
"...tsy avy tao am-poko indray ilay teny teo Malala ah,
...fa ianao irery ihany no tena fahasambarako!
Ny fo, rano mafana...
Hifonako aminao..."

Vao nanomboka ny taona dia naneno ny anjomara
Fe-potoana farany hisotroana izay tsy lany!
Fa niova endrika izy!Tamin'ny andro tsy nampoiziko!
Arak'ilay nolazainy
...isaky ny miadiady!
Ndao ary Andriamatoa, mahità ny tsaratsara
F'izay tsara rehetra tamiko, efa laninao mamy.
Raha tsy mendrika ny tenako,
Omen-dàlana hitady!

Hafakely izay ny folo taonanay roa!
Samy tretrika ny fo fa nahadingana ny ankaso.
Tamin-kerimpo sy tahotra!
Tena mafy izahay satria...efa impiry impiry moa...
Fa mbola samy nahafikitra ilay vy mivay afo.
Niharihary fatratra, nangirifiry loatra
Fatomaty nampitambatra.

Saika tsy mba tsapako ny herintsainay niady,
sy fifampifikiran'ny fo mifampitady
Raha tsy nisento lalina!
Isaorako ny fiainana namolavola sedra,
Niteraka isan'andro : fifandiranay mivady
nahafahana nandrefy...
ny hetaheta te hilamina!

Nisaraka zahay, ary intsony, tsy hiverina!
Efa samy disaky ny fahafaham-baraka!
dia samy tsy nahatanty!
Nifanarahanay rehefa samy afa-nenina,
Hoe folo taona ihany dia ampy nahafaty
Ny afo niara-namindroana,
Fa tsy ho mandra-maty!

Saika hataoko fanahy iniana tsy ho tadidiana intsony,
Mba tsy hiparitahan'ny fofom-bobongolo,
Fa nandà ny fahatsiarovana!
Laingako amin'ny tenako, fa mbola ireo akory
Manetroka, manaloka ny saiko manontolo
Ireo sisambain'afo,
Tao am-patana nilaozana!


10/06/2022
15H36 HM
--------
Rohy:
893 5
Hevitra mandeha
MAZ RAMANA ( 21/06/2022 08:41)
Mankasitraka indrindra serasera nanisy feo, tsy nampoiziko! Tohina be!
ikalamako ( 27/06/2022 10:18)
Maz Ramana : am-pifaliana foana e. Ny mpiantsa koa aza mba kendakenda tao fa matanjaka ny mpanoratra, tafita mihitsy ny hetsipo. Mandrosoa hasina !
ANARIM ( 27/06/2022 15:32)
Fa mbola samy...
Fa samy mbola...
Tsapako ilay kenda malalako...
ikalamako ( 27/06/2022 17:23)
hehehe, kopy njy chérie...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 10/06/2022 12:40
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102