Ny saka sy ny totozy (Dox)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray mandeha ity saka honoNantsoin'izay totozy izy
Ndeha isika samy hatono
Ka ho hita eo zay tsy may
Ny totozy no nialoha
Nototofana kitay
Andraso andraso hoy izy aloha
Nihady lavaka izy zay
Areheto amin'izay
Nisitrika izy fa tsy may
Noho ny afaka avy teo
Dia ny rehaka ho mahay
Fa ny saka kosa hono
Nihady lavaka tsy hainy
Tao izy dia voatono
Ary tapitra ny ainy
--------
Rohy:
Sokajy :
tantara
Mpakafy:
hery
Hevitra mandeha
hery
(
25/07/2007 09:55)
Iza no tena mpanoratra an'ity tsianjery ity?
nikopol
(
30/07/2007 12:59)
pffff
tsy Mia zany no nanoratra an'io
tsy Mia zany no nanoratra an'io
nikopol
(
30/07/2007 13:02)
refa tsy hay ny mpanoratra dia atovy hoe mpanoratra tsy fantatra fa aza misandoka ohatr'io
tiaraj
(
05/02/2008 19:22)
Efa reko talohan'ny nahaterahako ilay tantara fa angano io...
istraky
(
11/08/2008 13:48)
I Jean verdi Salomon Razakandraina (DOX) no nanoratra io Tonokalo malaza io.
hery
(
27/08/2024 15:49)
Misaotra an'i Mino Azy sy Mahatoky Azy niantsa ny tononkalo 💗