tia miandry (Nandriana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny orakin’ny lasaNo mitondra ny tamberina
Ny foko tia mikasa
Notefeny mba hanenina
Ny olatrin’ny ratra
Tomboka tsiahy
Ny foko tia mihantra
Norakofany ahiahy
Ny setrokin’ny fisarahana
Mitabolina manempotra
Ny foko tia te-hiavana
Nantsoiny mba hiembotra
Ny fiangavinao aloha loatra
Mamoa ny fahoriana
Ny foko tia te- hitraotra
Rarany tsy hanan’olo-tiana
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana