Angaly (Narilala)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Foy anaty alina
Ny tara-bolan-tsinana..
Vaky akoram-betso
Ny nofy izay fongarin'
Ny onjam-pahanginana..

Feon-kary miady mingerom-bonololo
Sy antsam-pamosavy
Vetsoin'ny vorondolo...

Ny saina terin-tsoratra..

Tefim-po mangoraka.

Manosaka ny hariny
Ny ainga tsy iniana...

Ianao koa zanahariny
Fanahy tsy niangaviana

Fa poetaeta resaka...
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina
931 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Narilala
Nampiditra : mpisotrtoaka
Daty : 04/02/2015 05:44
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133