Tsaroany ( setrin'ny tononkiran' i ny eja hoe tsaroany) (Nikopol)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setrin'ny tononkiran'i Ny eja "tsaroany " ( album "aina miray" bodo)*



Tsaroany




Izy, tsy nandao
Raha fantany fa tia azy ianao.
Noheveriny ho efa vita,
Izay no nahatonga azy tsy hita.
Fa nahafinaritra azy koa,
ary tiany (tena tiany) iny alin’iny...

Tsaroany ka tsaroany,
Ny dobokin’ny fony
Namihina anao,
Ireo andro,ora, minitra mamy
Nitiavany anao tamin’izany.

Nefa indrisy,
Fa nataony ho lany ny memin’ny fitia,
Nohezahany
Hadinoina
Doria doria
Ireo tsikinao nambabo azy,
Ireo sangisangy sy vazivazy.

Ny hiranao nefa, mamerina indray,
Ireo tsiaro mamy mbola tsy may.
Tsaroany ...tokony
Fa ianao no hany tompon’ny fony.


Mangitaka (izy) miandry ny pi-masonao,
Mangitaka te-handre ny feonao,
Miandrandra indray ireo fotoana diamondra
Anilanao.


Nikopol-J
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy - FITIAVANA
1705 3
Hevitra mandeha
nikopol ( 13/08/2005 08:37)
Ny eja an! novaliako ny tononkalonao "tsaroany" fa nambabo ahy tokoa.
Nomen'ilay olona izay ahy izy io ka setriny ho azy no nanaovako azy. Nataoko nitovy rindra amin'ilay nihiran'i Bodo azy ( efa nandramako nihiraina fa ...).
Hantenaiko fa tsy mahasosotra anao ary indrindra fa hahafaly "azy" lol

Nikopol, namanao
zakilinina ( 13/08/2005 10:17)
F'angà koa mihira nikopol ?
chipie1 ( 16/08/2005 13:19)
mety tsy ho tia koa izy matoa nandao ka ! , mety tena ho tia be koa satria aminilay andiny farany mbola miandrandra hihihi
asa aloha ...
nyeja ( 18/08/2005 09:50)
nikopol a faly be aho fa novalianao ilay "Tsaroany" sitraka no omeko anao satria matoa misy mamaly ny tononkalo iray dia midika fa nisy akony ary vao mainka nahafaly ahy raha ianao ilay poety ankafiziko koa namaly azy , tsara e nomeko isa 5 .
ny eja namanao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nikopol
Nampiditra : nikopol
Daty : 13/08/2005 08:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093