NOSOMBININ'AINA (NofenoinaNatiora)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOSOMBININ'AINA?❤️Alahelo lalina no niova sarin-tsiky,
Adin-tsaina maro no nisinda toa tsy nisy
Noho ny fisian'ireo aiko nosimbinina
Nofonosana tan-kibo sy mamy nofihinina.
❤️Mamy anaty ngidin'ny adidy maro an'isa,
Sa ngidy anaty mamin'ny zanaka tafita?
Fony mbola tsisy dia efa tiako sy niariako
Fa tsy akory hoe misy ka tsy maintsy tiako
❤️Ry vadiko nijoro foana foana ho tena Dada
Amboaran-teny miloaka anaty badabada
(Marika fisaorana)
No dikan'ireo fihetsika mampianoka hasambarana
Ho setrim-pamelomana sy ny asa fisasarana.
❤️Any andro ho lehibe ireto sombinaina
Ka hanafaka hetaheta ny rano natsakaina,
Satria 'lay Ray ao an-danitra eo foana tsy mandao
Ka ampiantsika izy ireo hanompo azy dieny izao.
NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
03 Janoary 2026
--------
Lien:
Catégorie :
Zanaka
