SARON-TSIKY (NofenoinaNatiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARON-TSIKY ????

?Mahita ahy mitsiky ny masonao mijery
Dia indro fa voasarika nanopy tsiky kely
Ny firafitry ny nifiko aza,hainareo tsianjery
Satria mihomehy lava aho,rehefa eny ivelany eny

?Tsy tsikaritrao anefa,aorianan'lay tsiky
Fa misy endrika maloka anaty segondra vitsy
Mamintina 'reo ratra 'zay mandoaka sy mikiky
Ny foko naparasaky ny hirifiry misy

?'zaho 'lay nitomany,hitanao tsy fanahy iniana
Mody mba nitsiky Aho
Dia noheverinao fa ranomasom-pifaliana
Saingy,tsy fantatrao hoe nisy ratra nohidina
Ao anaty foko,ka malaina ny ho vangina

?Fa mbola te ho irery ,hanara-po tomany
Am'zay mantsy rehefa mivoa-drindrina any
Vao mahita ahy 'reo natiora Dia hitsiky avy hatrany
Hoe "indro 'lay mpitondra tsiky sy mpizara mamy"

?Ka ho anao ry rindrina ,mpijery ahy malahelo
Ianao mahita ahy foana rehefa izaho mifendrofendro
Ireny ataovy tsara azona mba ho tsiambaratelo
Raha misy manontany Dia ny tsikiko no tantero

?Ho anao ihany koa ry ondako mando lava izao
Aza tsiny indrindra Ary hifonako aminao
Raha misy mitsidika ao an'efitranoko ao
Aza atao fantany ny alin-dranomasoko
Fa rindrino ridao

?Dia ho anareo ry penina sy ravin-taratasy
Iantefan'ireo rediredim-po tsy tanty
Filatsahan'ireo ranomasoko tsy satry
Tsiambaran-teny ny ato hoe dia aza avela hisy hamaky

?Ho anareo kosa 'zay mpankafy ny asa soratro
Valio tsiky foana ny tsiky kely atorako
Fa ianareo no mampigoragorara ny fatorako...
Anatin'ireo ngidy sy alahelo tsy voaborako.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

09 Mars 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
8 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116