TSILON-DRAOZY (NofenoinaNatiora)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSILON-DRAOZY

✍Ny ranomaintim-peniko
Efa madiva ho lany,
No handraketako ny teniko
Avy ao am-po,hila ho tomany

✍Noho Ilay fitia toa nampanenina
Mbola tia nefa tsy maintsy
Ho lany anaty penina
Toy ny faran-dranomainty

Fahasambarako ny anilanao,
Fa tsy asambaranao ny anilako
Ka tapa-kevitra aho ny handao
Fa rindrim-poana hay no iankinako

Ny ranomaso tsy voafafako,
Injao latsaka tsikelikely
Amin'ny taratasy anoratako
Manampy ainga tsy hisy very

Raozy tsara erÿ ny lokon'ny
Fitia nomeko hatry ela
Nefa nodoranao ny fotsiny
Ka taho sy tsilo sisa tavela

Fa angamba maneritery
An'ilay voninkazodia
Naniry teny ho eny
Ka tianao noho Ilay raozy

Fa hisy singan-tsilo iray
Ao am-ponao no hitsatoka
Dia ireo fitiavako hatrizay
Hamela faritra Kely matroka

Ka ho tadidinao foana
Na dia hodianao tsy tsaroana
Na dia ho avadiky ny toana
Na ho inaiana hampifangaroana

Ny voninkazoko kosa hinoako
Fa hitsimoka vaovao indray
Ary vao maika ho maro loko
Mihoatran'ilay efa may

Vao maika hahasarika an'irony
Natiora maro manodidina...
Lolokely sy tantely
Mbamin'ny vorona misidina.

NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA

03 Novambra 2020
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
17 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116