VEHIVAVY MIASA (Np Augustin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asehoy azy fa vehivavy miasa ianao ,
Manam-pikirizina amin'izay rehetra atao .
N' iza n'iza hanorotoro ,
Dia mbola tafajoro .
Ary tsy miandry hotolorana sy homena :
Fa vehivavy miasa , mahavelon-tena .

Avelao ho gaga ireo izay miteny ,
Hoe: " ny vehivavy dia fanaka malemy ;
Tsy afaky ny hamindra ,
Sy tena osa indrindra "

Ataovy menatra izy ireo,
Fa misià ambom-po manombok' izao :
Asehoy azy fa vehivavy miasa ianao .

05/11/18
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
148 1
Mpakafy: NpAugust1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Np Augustin
Nampiditra : NpAugust1
Daty : 30/06/2025 10:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012