ARIO INY FELANA INY ( ALBUM AINA NAFINDRA ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARIO INY FELANA INY

Androany tsy nampoiziko
Ny hifanatri-tava aminao ...,
Ka sanganehana ny foko...;
Ny hilaza ny ato am-poko .

Kanefa vahotra ny vavako
Mangovitra ny tanako
Toa vinitra sy tezitra !
Hitako amin'ny endrikao .

Nahoana anefa raha lazaina
Hoe, tsy tia dia samy vita...,
Ambarao fa aza afenina
Dia lazao f'izao rehetra...Tsy tanteraka
Tsy maninona ...avelao

Kanefa izao no fiangaviako
Folo taona izay...Raha tadidinao ;
Nisy Felana iray natolotro mba ho anao ;
Miloko mainty ka gaga ianao...,

Tsy izany mantsy fa raha nanoratra aho
Dia nikoriana tamin'iny Felana iny ny ranomaintiko .
Ka navelako amin'izao...Kanjo ka tanteraka ny fisarahana !
Tiako ho fantatrao...ario iny Felana iny...izay dia ampy;
Ka aza asiana teny intsony...Aza arahan-dranomaso .



12.02.2006 Ankatso - Ampandrianomby
Dindon'ilay Fitia fahazaza Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
16 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015