HO TANTERAHAKO NY VOADIKO (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho tanterahako ny voadiko

Ampy izay ny adalana izay natao
Hovaiko ny fomba ratsy izay fanaoko ,
Hiezaka aho hiala amin'izany ;
Koa manantena Tompo o...;
Ampio ity mpanomponao .
Hialako amin'ireto :
Ny masoko nanao fijery hafahafa ;
Nangarika nirirana hoan'ny olon-kafa ,
Ny vavako namoaka ozona ary koa niteny ratsy
Ireto tànako nandray ny tsy fandray...,
Namono sy namelaka tsy afa-nifandray ;
Inona no tsy efa vitany . Ifonako ry Ray .
Ny tongotra nitondra amin'ny fahazarana...;
Fahazarana amin'ny ratsy tsy nahasoa ahy akory ,
Tsy mora ny miala amin'ny fomba nahazatra
Niezaka hiala saingy tsy mety tafavoaka ,
Hay ity izaho mivavabava-poana!
Anjakan'ny devoly....Ny fanahy ratsy...;
Kristiana matory ..., matory fa mifoha
Mitady hibaiko ny satana , ka hiantsoako vonjy!
Tsy mila azy intsony aho , ampy izay ny adalako .
Koa ankehitriny ianao no Tompoko Jesoa o!
Ho tanterahako ny voadiko .

Ampandrianompy . 06.06.24 Ny Andri-Fara.
--------
Rohy:
122 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149