IZA MOA AHO ( Album Sangodina ) Raphaël Spartacus (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA MOA AHO

Iza moa aho
Fa tena tsy tsaroako
Ny amiko rehetra .
Moa ve tsy lehilahy ;
Mangetaheta fahafahana .

Iza moa aho
Fa toa verivery saina ;
Ny amiko rehetra .
Izaho ilay zazalahy ;
Niaritra ny mafy .

Iza moa aho
Fa toa reko injao manako ,
Ato anatiko mangina .
Ny vetsovetsom-paniriana ;
Niainako hatrizay .

Iza moa aho
Fa toa injao...,
Nanako ato am-poko ;
Ny hikam-pitolomana ,
Handreseko fahantrana .

Iza moa aho
Fa toa izaho indray
No hanmbara tsy misy farany ;
Ilay dinitry ny fijaliana ?
Eto an-tanindrazako .

Iza moa aho
Iza....,
Tsy sanatria akory adala ;
Asa anefa....!
Mila ho vaky izany lohako .



04.01.1995 Raphaël Spartacus
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy
79 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148