NAHOANA LOATRA = tohin'ny : Tsy nahoako saingy . (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAHOANA LOATRA

Feno ny kapoaka , namoahana ny marina
Maro ireo voasambotra nambotry Firenena .
Nisy ireo nitsoaka nilaza ho marary....,
Navoaka any ivelany , tsy voatsabo eto an-toerana .

Misy indray ireo lazaina nahavita heloka tsy ferana
Tsy hita hoe nankaiza ...Fa namparitaka ny sariny .
Sady tsy any am-ponja no tsy niditra hopitaly ?
Fa tsy hita maty ....Tsy hita fahavelomana .

Fa ny tena loza ...Loza ankariharihary
Ireo trondro vaventy ,tsy mety azo mihitsy !
Ny valifatim-politika mahery vaika dodoria ;
Dia any no hiafarany hoan'ireo tsy mpiara-dia .

Dia gina ny tontolo , sina ny voahary
Potika avokoa , ireo fihariana nivelomana .
Ny karama moa , jereo tsizarizary...,
Tsy mahavelona ankohonana , fa hita miharihary .

Tsy voakasika amin'izany , ireo mpikarama be
Sy ny mpanam-bola , vaventy kibo be .
Milalao vola mba hanafenana ny marina ;
Hanankonana ny ratsy , hitangosana ny rariny .

Dia navela mba hangina , tsy mahazo miteny
Fa izay miteny dia any ankoatra ? any no anjarany ...;
Nangina ny tontolo , sina ny voahary...,
Rahoviana ihany re! no ho foana ny tantarany .


Ampandrianomby . 11 Ora Ny Andri-Fara
18.Septambra 2024
--------
Rohy:
70 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144