NOFY ( Album NOFY sy Tamberina) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY

Ry malala , iry mba tazano
Amin'ny endrika tony ,
Kanefa izao no tsarovy ;
Onena ny fo , kivy ny saina !
Tsy fantatra ho aiza ,
Omban'ny làla-mideza
Namakivaky ny ala-matevina .
Indraindray tsy misy izorana
Raha sendra mandroso...,
Indrindra rehefa tsarovana
Akaikin'ny tiana ny namana ,
Nisetra ny rivo-mahery
Andalovan'ny fisentosentoana .

Mahantra iry mba mitsetra
Indrisy ! nalazo 'ty felana vao azo .
Angamba tsy misy mpanondraka!
'lay hany natao mba hamelana ;
Izy mantsy no antoky ny fiainany .

Tsaroana isan-taona
Iny ngidin'ny lasa .
Asa! izany ve no lahatra...,
Nahoana no izaho no iharany ?
Ao anatin'ny folo...Zato tsy ferana !?



04.11.2002 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fahatsiarovana
86 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149