OMALIN'NY FISARAHANA ( Album Aloka sy Tamberina ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OMALIN'NY FISARAHANA

Ry vorona natao tsy hiverina
Azafady raha azonao atao .
Zahatra aroson'ny rano,
Anilan'ilay tsy nekena ;
Fadiranovana tsy misy hidovirana...,
Ilay tia tsy notiavina ;
Miangavy ilay hafatrao
Amin'ilay tiako nandao tsy ho hitako
Tsaroako mavesatra ny ila-lohako ,
Rehefa alahelo tsy eo anilanao ;
Asa! Nahoana no fo vato!?
Tsy rototra akory amin'ny fifonako
Resy mantsy ilay tia .
Angamba hiandry ny todim-pitia .

Avia manatonà ravoron'iry
Nahoana no lasa tsy mety manoina .
Jereo ange 'ty foko fadiranovana ;
Anatin'ny nenina tsy haiko faritana
Tavelan'ny alina izay mifanesy ;
Indro tomany...Nilaozao
Avia mba jereo ! manatona ianao ;
Na dia veloma tsy hihaona intsony
Araka ilay hafatrao...Omalin'ny fisarahana .




Ambihitrakely 13.03.2003 Ny Andr-Fara = Hery Miary
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
86 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151