TSIAHY HO AN'IZA (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIAHY HO AN'IZA

Niezaka aho hanadino
Ireny lasa tsy azo heverina .
Niezaka aho ny tsy ahatsiaro ;
Ny tantarako mitady hitamberina.

Nofoanako ny tsiahiko
Izay mitady hanelingelina .
Kanefa iza! iza no handao ;
An'ity mahantra tsy hiverina .

Fony mbola nianatra aho
Tsy nahazo fahalalana .
Banga indray ny fahafahako ;
Noho izao fadiranovana .

Dia nobanjiniko izy
'lay tatamo novoleko ;
Ka nahatonga ny eritreritro ,
Aiza no hafindrako .

Raha avela eo
Ho maro ny mpanao ankaso...,
Raha ongotako...;
Ho zary halazo 'lay tatamoko .

Nahoana ianao ry lahatra
No minia tsy mahafantatra ,
Novesarano ankaso foana ;
Ka indro nifotetaka niangarana .

" Indrisy mantsy...hoy ianao...
Aiza intsony..."
Inona no atao ?




04.01.2003 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Embona
67 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161