TSY HAY AFENINA ( Album Sangodina ) Raphaël Spartacus (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HAY AFENINA

Tompo o! Fantatrao ny ato am-poko
Ny hetahetam-pahafahako .
Ny Hijoro sy hamikitra ;
Amin'ny hevitra najoroko .

Fantatrao ilay olon-tiako
Ilay notiaviko eto an-tany .
Ianao hitantana ny diany ;
Mba tsy hivarina ao an-kady !

Ianao no hiaro ny fanahiny
Hitsimbina ny fahadiovany ;
Tsy hahafahany hivily mian-kavanana ,
Na hanitsy ny an-kaviany .

Apetrako aminao ry Tompo
Ilay anjaram-pahazavako .
Ka hanazava sy hitsilo ;
Ny ato am-poko tsy hay afenina .

Ny fianarany moampy fahendrena
Ny fahasoavana natolotrao .
Tompo o! aza alina intsony ;
Izany no mba hetahetam-poko :
" Mba ho an'ilay malalako"


10.01.1995 Raphaël Spartacus
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fahatsiarovana
75 3
Mpakafy: GRNTF - Eliasy - SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204