TSY MATY FA MATORY ( ALBUM SANGODINA . RAPHAEL SPARTACUS ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MATY FA MATORY

Rehefa nieritreritra
Ny làlana nodiaviny ...,
Anikeo maraina vao nifoha ;
Dia lasa lavitra ny saiko
Ka namonjy naka sasatra,
Teo am-pahatongavana...;
Fa nodimandry ilay mahery .

Eny , lasa ianao tsy laviko
Ny tantara koa tsy fanadino
Manambara fahasahiana !
Sy fitiavan-tanindrazana .

Hitoetra , hikirakira tadidy
Fa ny asanao ry Dada monja !
Tsy hay kosehina ato am-poko .

Angamba hisy hilaza
Sy hanambara zava-maro ,
Fa iza ianao ?
Dia izao no ambarako...,
Fanjanahana , Halatr'omby !
Fahafahana sy fahamarinana ...;
Sy ny maro tsy hay ambara .

Saika adinoko anao
Fa i Dada Monja anie ;
Mpitari-tolona malaza e!

Matoria am-piadanana
Tsy maty ianao fa matory
Ary ny tolona natombokao ;
Fotoana izao hiatrehana azy .


10.01.2003 Raphael Spartaus
Nosoratana : 04.09.1994
Nohavaozina tamin'ny : 12.05.1995
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
171 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157