TSY MBA AMIDIKO NY FOKO . ( Limailaka = Ny Andri-Fara ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MBA AMIDIKO NY FOKO

Tsy vahotry ny nenina
Tsy hitako afenina .
Fa tototry ny rariny ;
Lanaky ny ankasony .

Ny ahy tsy amidiko ny foko
Aleo zakaiko na hampitoloko .
Izay rehetra afafainao ankehitriny !
Tsy maninona ho ahy tsy fidiny .

Izaho 'lay trotraky ny ady
Notefena mba ho resy .
Nomelohina tsy diso !?
Noratraina an-tery setra .

Izaho 'lay noesoina nolotoina !?
Nopepoina nosimbana tsy ilaina .
Nobaboina 'lay hery tato anatiko ,
Nohakiviana mba tsy ho tafarina .

Làlana iray nasaina mba hizorana
Hatsana sy tevana tsy nisy fiafarana ,
Tany no mba niantsampazana...;
Izay no anjara hany nitolomana .

Lalàna iray no ekena mba iainana
Terena tsotra izao hampandeha ny fiainana ,
Iny hono ialahy nahiratra fa jamba !
Tototry ny rariny nekena ny ankasony .

Tsy ranomaso intsony , tsy alahelo akory
Tsy hiferinaina na koa mba hitaraina .
Tsy mba hiantso tody na hiantsa ho an'iza ?
Avelao ny heriny , hamotika ny lasako .

" Fa tsy ekeko izany....
Tsy mba amidiko ny foko ;
Fa ahy irery ihany....
Ahy mandrakizay doria
An'ny vady aman-janako"

Atolotro an'i Tantely Fidson Dina Tantely Andrianarivo ( Teraka RABERANTO ) , vady malalako . Andrianarivo Tantely Ialy Nofy Meva Miangoty / Andrianarivo Tantely Ny Arovana Miotisoa Sombin'Ny Aina / Andrianarivo Tantely Fanomezantsoa Aina Nafindra . ( Ireo izy telo mianadahy zanako tsy foiko )

Androany 10.10.2024 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fahatsiarovana
72 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157