TSY RARINY (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY RARINY

47 TAONA IZAO RAHA NY FITADIDIKO
NO NAZAHOANTSIKA FAHALEOVANTENA ?
AIZA ANEFA IZAY MBA FAHAFAHANA.
FA TOA FAHORIANA LAVA IZAO,
NO IAINAN'NY VAHOAKA!
POLITIKA POLIFIKA NO ASANDRATRA
NY VAHOAKA NO MANJARY SORONA,
HO AN'IREO MPIADY SEZAM-PITOLOMANA.
TSY MAHAGAGA RAHA NY OMALY,
NO MANJARY ANDROANY.

RY VAHOAKA MALAGASY
HO AN'IZA NY TSIRANY FA TSY HO ANAO.
NY AZY ANIE NY ZANANY TSY MIANATRA ETO E!
NY ANAO RANGAHA RAHA TIANA OVAINA DIA OVAINA...
FANDAHARAM-PIANARANA TSY MITOVY LENTA NO MASAHANA...
AMIN'IZAY DIA HISY AMBAKAINA SY HO VOAFETRAN'NY TAONA!

NOANA MIARO FAHANTRANA NO MBA NIAINAKO
MALAGASY MARO NO NATOLEFIKY NY TOLONA.
RA MANDRIKA FOANA FOANA RAHA MBA SEDRA NISAFOKA...
HITADY INDRAY ILAY TENA FAHAFAHANA? SAINGY...
NOTAKONAN'ILAY MAHAY HO MANOVA ZAVATRA
NY FANGATAHAKO KA NANGINA FOANA NA TSY RARINY.

13 MAY 72. NIAMPY INDRAY NY 2002, IZAO NY 2009
AIZA IZAY MBA HITRAKANA FA TSY TANTY NY FAHANTRANA
FAHANTRANA NATAON'IREO MPITONDRA MIHEVITRA HO MESIA?
TSY RARINY FA MITRAKA RY MALAGASY EFA NANDOHALIKA ELA BE.

28/10/2009 NY ANDRI-FARA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1783 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149