Hoan'i Litterae * Tsy aik (NY RARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoan'i Litterae
*
Tsy aiko ry namana izay ato an-tsaiko
Mivimbina alahelo tsy fantatro hoe nahoana?
Fa any izay mba ventesin'ny saiko,
Ilay finamanantsika tsy ho babagoana!
*
Ny rivotra ve no te-hisetrasetra ny aiko
Ka tsy mahita afa-tsy ny mihiba ny saiko?
*
Manoratra anao eto an-jaridaina
Hiatako ilay masoandro,mibaliaka aok'izany!
Ireo siokam-boronkely mandrotry ny aina
Toa heno manako eny ho eny,am-paran'ny tany
*
Tsy hitondra aloka aho na tabataba,
Fa hivimbina ny kanto,mijohy lalandava!
*
NY RARY
--------
Rohy:
762 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142