Mianara milomano (Ny Voaroy )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mianara milomano

Mianara milomano raha mbola tsy hary elatra hanidinana
Fa aza maika loatra ny hanara-drenirano fa sao hahita angano
Fa ireny zanak'omby tsy ampianarina lomano amin'ny resaka fitiavana
Ka meteza ianao handà ny tsipy sandry ataony eny amoron-drano

Aoka ianao handà ireo kilalaon-teny entiny hambaboana
Mba tsy hilazany anao hoe voninkazo adala no sady tsy misaina
Fa ireny ange ka lolo e ! Mitety voninkazo misarika mpandalo
Ka sendra ianao ho voadona
Ka aza mora taitra amin'ny zavatra arantiny fa sao ianao hangaina.

Ny Voaroy
04-09-26
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
15 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0102