Ianao (oceane)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reko teny ho eny fa niteraka hono ianao
Mianoka hasambarana fa akaikin'olon-tiana
Dia lasa ny fisainako hoe inona ny lesoka
Nahatonga ny antsika ho rava sy hivalona any
Mampanontany tena koa ireny antsonao ireny
Rehefa mahatsiaro ka manatsafa vaovao
Tato ho ato, nangina tanteraka ianao
Ary inoako marimarina fa tsy hiantso ahy intsony
Tiako hiverenana ireo lasa na dia tsy mety aza izany
Satria hatramin'izao, tsy mbola misy mahasolo anao.
--------
Rohy:
1084 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : nahrindra
Daty : 29/03/2014 19:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097