--NY FOTOANA-- (R.A.A.Z.N)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
--NY FOTOANA--



mahagaga ny eto antany
tsy hialan'ny sento sy tomany
ny olombelona no lasa tsisy safidy
fa izy no masy mandidy



manorisori,masorena
fa tsisy avelany na ory na manankarena
manao manjaka tokana
ary mandidy azy tokana



ny fotoana no lasa akaso
mandroba toy ny malaso
fandreberebena tsy mijanona
manahirana amin'ny fitadiavana hanina



izao tontolo izao korontaniny
ny mahantra tsy ampihinaniny
ny difankatra ampiadiviny
ny reraka tsy todiviny


(R.A.A.Z.N)
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
800 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.A.A.Z.N
Nampiditra : zurahrakotonanahary
Daty : 21/11/2018 16:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108