Fiovam-po (R.N.Judie)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza intsony moa no antenaiko eto an-tanyNy ray izay nantenaiko any lavitra any
Ilay mba anjara masoandroko niserana
no nanankinako ny fitia tsy hanam-pataperana
Kanefa indro izy lasa niankandrefana any
ka alahelo sisa no solon-tomany noho izany antony izany
Ny ray izay nantenaiko hoy aho any lavitra any
tsy mba mahatsiaro hoe ny zanany aty tomany
Variana loatra angamba ka tsy mahatsiaro
dia ny tsy fantany fa ny fiainana mandalo
ka iza intsony moa no antenaiko eto an-tany?
Inty aho hivavaka aminao ry Zanahary
Angataka aminao omeo ahy ny heritsaiko
Satria be loatra ny fijaliana izay lanjaiko
k'anefa ampahafiry hazo fijaliana izay nolanjainy Kristy
ity fijaliana izay lanjaiko ity
Indro ankiniko aminao ry Ray be Fitiavana
ny fiainako rehetra, tsy misy ankanavaka
Dia indro aho hivavaka!
R.N.Judie (14/04/2009)
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy