Ny aty sy ny any (Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ATY SY NY ANY

Indray mitopy maso;
Avy hatrany dia tsapa
fa tena samy hafa.
Ny Any , trano vasobasoka tsotsotra tsy mirenty.
Ny Aty` ,midadasika,sady avo no vaventy.
Ny jiro maro loko sy ny voninkazo be dia be,
Efa voatsitokotoko handravahan’arabe.
Ny tovovavy maro,mevasoa sy bikàna.
Tsy matahotra izay maso sy aràky ny mpanadàla.
Ny sakafo tsy hita intsony fa maro isafidianana.
Nafoy hatreo ny ronirony sy ireo karazan’anana.
Ny fitaovam-pitaterana,maro nefa milamina
Efa tena fanaperana e!
Tena mahavalalanina.

Tsy azoko ampitahaina; tsy azoko ampitoviana.
Ny azy ny fomba fiaina; lavitry ny tsy fisiana.

Eeeeeh…! Ry Iarivo nialàko.
Dia sanatria ve ho adalàko ?
Ho afoiko ve ny taniko ?
Ho soloiko ve ny variko ?

Ny ATY …tsara fototra
Sady tototry ny soa !
Ny ANY …tsotra
Nefa andrian’ny fo !

Izany rehetra izany
No mahatonga ahy hatrany;
Hisento sy hamisavisa,
sy ny sisa sy ny sisa.

…Tsoa /22 sept 2004,Cachan Fce
--------
Rohy:
2532 1
Hevitra mandeha
rabona ( 25/03/2005 16:13)
mahereza anaka fa efa nandalo teo koa aho fa tena mafy izany embona ny tanindrazana izany
mahereza !!
vetsoko ( 05/04/2005 18:00)
misaotra
Ikalamira ( 18/04/2005 23:08)
FAHITANA

Nahiratro ela mihitsy ny masoko nijery
nitety tsy ankitsitsy ny endrika maderan'
ny zava-taza-maso mamiratra jerena
An-koso-bolamena? Lazaina ho harena

Ny ANY nolazaiko fa feno fahantrana
satria ny vary arapaka anio vao hozahana
ny hena izay ilaofana mahalana aoka izany
ny trano vasobasoka, matory ladin-tany

ka vao nahita itony sakafo be mivelatra
sy irony tovovavy mandalo mielatrelatra
irony trano vato mijoalajoala ery
manemitra ny lalana 'zay diaviko aty

Izany masobeko vao miha-nidiridiry
nahatsiaro tena ho bitika sy toa nangirifiry
nilaza hoe mba aiza ny anay mihoatra izao
any ny ankizy dia mandry fotsy izao

izaho moa io vao tonga ka mbola falifaly
ary nihevitra aza fa tsy mba misy jaly
ny fiainana aty, f'hotazana ny vola
fa misy hatrany foana ary tsy ho tola

kanjo raha nandrapaka ilay sakafo tsara
izay nampilendalenda, nihinana ny anjara
dia gaga fa natsatso sy tsy dia nisy tsirony
ireo sakafo maro miseho ho be filirony

rehefa koa nanatona ireo tovovavy fatratra
izay hita ho tsara bika, fotsy tonga lafatra
ka mba niseho ho sariaka sy nitsikitsiky
dia novaliany harika, moa aho madikidiky?

Raha sendra mba solafaka na very an-tanin'olona
izay velona hatonina toa dia miolonolona
sy mankahala fatratra ireo izay sahirana
Raha misy patsa ianao tongava f'izy ho mirana

Dia nahita aho fa ATY an-tany lavitra
na mila ravin'ahitra na mba mitady hiavotra
dia mazana ny fiainana mamirifiry ny ady
ny fijaliana miditra mihoatra vavahady

dia teo no nahatsapako f'izay haren'ny hafa
na dia ny taniko aza no norobainy lasa
dia tsy hahasambatra ahy satria an-tanin'olona
miavona sy voa, ka mafy be ny tolona

Ny hanina lazaiko ho bobaka mitosaka
dia mankatavy be, ny ahitra sy bozaka
ka mbola misy tsiro noho ny voankazo
otazany dia manta, ka aiza no halazo

Fa ANY aho no ho sambatra sy hirijarija
na alina midona na orana mikija
hizara elo amiko, hampialoka ahy koa
ny olona eo akaikiko raha tiako izany moa

ny trano bongo maro samy be ronono
raha misy izay manjo dia azoko intranoana
ATY ireo vazaha dia samy maka ho azy
ary moto-dava fa tsy mivazivazy

Aleoko ihany ANY... Rahoviana vao ho tapitra
ity mila ravin'ahitra? Toa vizana mitatitra
vaovao tsy mifanaraka amin'ny tena misy
amin'ny ANY aho, ny baraka sao tsy hisy

Lazaiko foana hoe mety be ny fiainako
sambatra be aho tsy misy fitarainako
ka ireo izay zandry kely mitonantonana avy
maniry ho aty an-dafy... raha hainy ny miandry azy!

Fa aoka izay sao kivy ireo izay te-hihoitra
Rehefa tonga aty dia izany no tafita...
Izany tokoa ve? Ny voky aloha dia eny
Fa ny fanahy kosa dia toa mirenireny

Iza no tianao ny vola sy ny harena
arahina fanahy tsy misy fahendrena
raha misy fanahy aza...jereo ny vazaha
takalom-pandrosoany, tsy misy mifampiahy,

Fa vola no andriamaniny,
vao ts'isy dia izay ny aminy.
Sa...? Marina ny anao, mila vola izao
Kanefa ny fanahy aza avela handao.

Mirana
vetsoko ( 26/04/2005 21:36)
misaotra an'i mirana ,na izany aza tsy kivy isika sa ahoana a!
Hitako fa tsapanao ny tsapako ary
hitanao ny hitako,
mety efa nolalovanao
izay rehetra efa vitako.
osrabn ( 05/05/2005 17:23)
Misaotra anareo amin'ny tononkalo mahafinaritra re. Eto am-pamakiana ireo tononkalo ireo aho dia mirotsaka ny ranomasoko. Marina tsy misy ho kianina tokoa izay voalazanareo. Aleo ihany ny ANY toy izay ny ATY.
kalointsika ( 14/07/2008 12:23)
modia ry zareo a!
vetsoko ( 15/07/2008 12:20)
de ahoana anefa raha hody za??t'as pigée
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa
Nampiditra : vetsoko
Daty : 24/03/2005 18:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096