Fitiavako (RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ianao no tiko sy safidiko
nambabo ny fitiavako
ka anefako ny adidiko
sy anoroka ny tavako

ny ventsoventso tao anaty
ny fitiavako anao
koa lazaiko tsy hotanty
raha hiala eo anilanao

voady tena mafy horona
no iakinanao ri lala
koa aleo dia tsorina
fa tsy haiko ny hiala

tsy diso aho manambara
fa izany no fitia
nefa aoka ianao tsy hitsara
fa ekeo ho dory

fitiavako! nanala fahotana
manda mpahafahana
fahavalo pahafahana
rafy mpisarahana

sarobidy anao irery
ny foko nanteheranao
koa tandremo sao very
na hisy hanao ankila-bao

izay no ventsoko aminao
koa raiso re rahavako
ity foko mitalao
fa izany no fitiavako.

RMR(deba)
--------
Rohy:
3762 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND
Nampiditra : deba
Daty : 20/11/2003 15:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139