Foiny (randria)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny rehetra eny... na eo an-tongotrao ngoly!
Any an'habakabaka any angamba ?...
Ny anatiko mamolivoly,
N'aiza n'aiza hivetsoiko...
- tsy maninona.
F'iny rivotra iny hitondra,
Ary ny embona hivimbina,
Samy hirongo reo tamberina,
Mitampisaka madity,
Ny takosim-pahatsiarovana,
Hamelon-tsoratra mangina,
Ny ao anaty mahatsapa,
Dia... samy hamakafaka.
Hitsetra ny amin'ny nisiany,
Ny mafy nentiny tety,
F'ireo rehetra ireo no apinga,
Hampisy aina ny am-panahy,
Ny manontolo voarakitra.
- Ny tantara.
Fa angovo no niala teto,
Ny dinitra nanenika azy,
Namonto aina indray ny tany,
Sy ny asakasaka rehetra .
Ary ampoky ny fahefana,
'Lay tory feno fara-tsiaro,
Tsy fidy anefa de nombana,
Mba... ho voninahitrao.
Hamelo-maso rony sata,
Ny hasinao ny hasaro-bidiny.
Fa folaka ny ngeza indrindra,
Nanjoy ny ladina an-tany,
Rehefa afaka sohika,
Nampiondri-doha saraba maro,
Tsy hain'ny velona hierena,
Fa lonjitry ny fiandrianana.
Tombam-bidy tsy an-tery,
Ho fandresena miezinezina,
Nefa... tsy ho an'iza na an'iza,
Fa ny aminao ry tany mamiko.
R.J.O.
--------
Rohy:
1754 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 21/07/2005 22:54
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151