Tsy misy . (randria)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy resy azo ampangaina,niady noho ny hirifiriny,
'lay fiandrianan'olo-miaina,
mifikitra an-damosi-kiriny.
Tsy misy avela hifendrofendro,
nizaka zay tsy eran'ny aina,
gejain'ireo mpiray tendro,
drodrohana ho savolaina .
Tsy misy hajanona ho mpiafy,
Miari-bata-kazo lena,
dontona hahatanty gafy,
ho aro-mandam-pierena .
Tsy misy hahantra mandramaty,
fa hoe tsy ambinina harena,
dia mihaiky resy ao anaty ,
ho fonjam-bim-pirenena .
Tsy misy hateraka ho an-devo,
verezin-jo anaty fonja,
Leona fotaka mandrevo,
tsy hahalala dobok'onja .
Tsy misy mianatra habadoana,
na bado miezaka ho donto,
ny votsa miotra no toroana,
hanena tendro zay mivonto .
Tsy misy mpino tsy hanantena,
ny fahasambarany any ankoatra,
indrindra moa reo noterena,
nijaly tsy afaka nanoatra .
Satria tsy misy avo tsy ho takatra,
raha mbola tratry ny fijery,
Ny herin-tsaina lanja miakatra,
Ho amin'lay fiana-miery.
R.J.O.
--------
Rohy: