indro (Ranoala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia gaga indray ny maroito tonga indray ranamana
hitoetra sa andalo
ndeha mba raisina ny tanany
Dokafana va re ?
sa...hatsafaina mba hilaza
tsy hita an-taona maro be
O mba firy zao ny zaza?
Dia namaly koa ty izy
"Arahaba ririnina"
nivilana ny sainy?
sa...tsy ao fa badenina?
aleo ny teniko ahitsy
Manakory ny avy lavitra
Dia namaly izy tamin-tsiky
"Maharavo, mahafinaritra"
Tsara izany, mba zarao
amin'ny havana entoana
Dia sadaikatra ny anao
tsy anio no fotoana
Ela be lay faha-mamoana
hoy lay feo niantso azy
lay ranamana tao aoriana
nitsiky ery namazivazy
hoy izy sempotsempotra
"tsy anio lay fotoana"
Diso daty nga ranaotra?
ny aty efa noana!
Aoka...Aoka aloha mba harovana
ity tonta toa vahiny
zay namoha fahatsiarovana
rony lasa fahiny
Fa avy aiza ka ankaiza
moa ny dianao rangahy?
"niodikodina tsy taiza
ka saika fanina aho ry lahy!
Toa fanainga hafahafa
no naha tonga ahy ho eto
tsy anio le fotona
fa salama tsara za hatreto!"
Dia Aleo ny resaka faranana
fa tsy anio hono no fotoana e!
samia mifandray tanana
za koa toa efa noana.
--------
Rohy:
Mpakafy:
zoky