ANTSO FARANY (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Allo***Allo***Allooo***
Malahelo aho fa efa saika tsy noraisinao
Tsy hanelingelina anao akory ny fiaviako
Sanatria, fa tonga mba hisaotra tamin’ny zava-bita
Hankasitraka tamin’ireny lasa nolalovatsika

Haiko hoe tsy ampy fikolokoloana ny fitia namboleko tao am-ponao
Na koa vaky ravina ihany fa ninianao nangotana
Ny mpamboly anefa nanantena fa hirobona faniry
Ho hazo iray lehibe no sady lali-paka tsy hita noanoa

Hisy felam-bony ho haingon-jaridaina
Hanetoeto manitra, natao hialana sasatra
Hiankinana sy fialana sorisory, hibanjinana ny lanitra
Eny ho haravoana fafatra ary tena mahafinaritra

Natoky lotra hony izy,
Ka nanao izay hampahomby
Ka na tany karakaina no nandatsahany azy
Dia nanantena vokatra tsy mba vazivazy

Indrisy ! indrisy fa tsy nisy,
Ny tratran’olon-kafa no tianao hiantsapazana
Ny angola tsy naniry no nokaloinao,
Nataonao hirahira ka naratranao ny foko

Tsy mba misy lohantaona
Fa toa fiainana misaona
Miaina irery ny ririnina
Sy kotro-pahavaratra

Tsy misy hazavana
Fa ali-pivalanana
No tapaka sy namana
Ary eto an-tratrako.

Tiako lotra ianao ary mamiko sy lalaiko indrindra
Saingy ankehitriny tapaka ny hevitro fa hivadika famindra
Hiova pejy vaovao
Marina aloha tena tiako lotra ianao saingy lasa fery ho ahy

Ianao angamba efa sambatra eo an-tratr’olon-kafa
Mianoka ny mamy ka somebi-kafaliana
Indrisy ry tiako, aza vangianao akory aho ary odio tsy jerena
Fa efa zatra lavo sy nianjera ary mahazaka ireo karazam-pahoriana

Lava lotra aky ny teniko, ny fahana efa lany
Fa ny farafiangaviako anao androany
Tsofy rano aho mba hahita fela-mamy
Hamorona fianan-tsambatra any ho any

Saika tsy tsaroako fa misy saritsika ireny
Poteho sy levony na doroy
Handavenona tanteraka
Mankasitraka indrindra ! Veloma fa androany aho farany miresaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
258 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAVINALA
Nampiditra : LEVASOKA
Daty : 15/05/2024 09:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0148