FANGATAHANA SY FITIAVANA (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra o
Tiako hahatsiaro Anao izy iny sady tiako tsy hisaraka Aminao
Tiako hiaina teny mamy ombam-pahasoavana eo am-panompoana Anao
Tiako hiaina fahasambarana miaraka Aminao
Ary tiako ihany koa ho feno lotra Anao

Tsy ho Anao irery anefa fa mba tiako raha tsy hanadino ahy
N'aiza n'aiza tany ombany dia irariako ny anarako no tsiarony
Amin'izay rehetra ataony ; ny fisiako mba hameno ny tontolony
Ary ny sandriko ; hoentiny eo an-tsorony

Sanatria izany hoe hanamavaina Anao
Na hangalatra ny anjaranao sy ny olo-maminao
Fa talaho fotsiny ihany sady tonombavaka hafahafa
Tiako loatra raha ho ahy mba ho andriko eo an-tratra.

Tiako izay kasainy; tsy hisy iray miavaona
Tiako ny fitiavany ; tsy hisy fiainana misaona
Ary satriko ny tsiky lohataona tsy hisy kotro-pahavaratra
Fa ho tsirim-bonikazo hirenty mahafinaritra.

Hanalavitra azy anie ry Ray ny afon'ny onjam-piainana
Tsy hisy ihany koa izany atsangan' ny hasoparana
Tsy ho azy irery ihany fa ny fiainanay roa
Ho hentsaim-pahasoavana, ho rako-javatsoa.
--------
Rohy:
113 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0193