Fanolanana (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa hatraiza no fetr'ity herisetra
Ampiharina sy atambesatra amin'ireo tsy manatsiny
Zazakely mbola tsy miteny
Tsy mahalala faniriana akory no atako amboletra toy itony

Zaza mena manana ny hoaviny
Nanaparana filan-dratsy
Nampisotroina ny mangidy
Fery sarotra sitranina mandritra ny androm-piainany?

Raha mba sendra ny olon-tiany nokosainy mba hiadanany
Fa rava-pahadiovana iray minitra tamin'ny fiainany
Dia ranomaso no zakainy sady koa mitafy henatra
Fa efa nangalarina mbola fahazaza?

Adala ianao sakaiza sahy mibaby ranomaso
Mahavita tsy matahotra manimba zaza bodo
Potika ny hoviny tsy hita soritra intsony
Ny hadalan'ialahy namela ratra anaty fony.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
60 1
Mpakafy: LEVASOKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169