ARINA (Ravo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARINA

Isanandro vaky izao,
dradraina:
"mba manaova hoe ny marina".
Izay rehetra mba atao,
lazaina
ho tsy izy fa mivarina
ka mba manaova re ny marina.

Dia indro fa dodosana
hikaroka
ilay "rariny, hono, hoe: fisaka"
ka ny ilofosan'
ny voakapoka,
voaosiosy sy voahitsaka
no fitaovana ampiharina.

Hany ka tsy fantatra
ny marina
na "tsindry hazo lena"
hanimba sy handratra
ny anarina
na "fanajana ny miaina"
efa mitrotrongy, tsy tafarina.

Fa ny marina aminy,
tsy afeniny:
"tsy mamindro hoe ny kely",
fahefany no ampihariny,
teneniny.
Ny goavana ombieny ombieny
no mahazo avara-patana.

Dia injany antsoantson'
ny madinika:
"ambarao hoe ny tena marina"
ka kabary tsara lanto,
mampirisika
hiasa, hioitra sy hiarina
no valin-teny tsy voasakana.

Nefa tadidio izao,
tsarovy:
"ny marina, hono, hoe tsy mba maty"
ka na inona na inona atao,
dia tsinjovy
ireo vahoaka niaritra ny mafy
sao hahariharin'ny tantara ny marina.

Ravo, André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
03 Jona 1996
--------
Rohy:
66 1
Mpakafy: TosakaMg
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravo
Nampiditra : TosakaMg
Daty : 31/10/2026 16:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0168