nohadinoiny ianao (Ravo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nohadinoiny ianao nohadinoiny ianao fa hoe
"lavitry ny maso dia lavitry ny fo"...
fahiny izy tsy nisaina izany
ho tena marina tokoa
saingy ireo volana sy taona
novakiana tsy hihaonana,
ireny tranga izay nimaona
samy lasa tsy hay sakanana,
nanova azy mba hifantoka
amin'ny fijery vao,
tsy hitazana ny takona
fa kosa hanadino anao.
Ravo, André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy
Mpakafy:
TosakaMg
