Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ianao (Jeankely Razafimamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa masoandro vao maraina Feno hery mamelombelona ny aina
Ny mahita anao manoloana ahy
Mahafeno fifaliana ,manala ahiahy
Toa felam-boninkazo vao misantatra
Rakotry ny hatsarana fatratra
Mandravaka ny tontolo iainana
Mahavelom-bolo ny fisainana
Ianao ilay natokana ho ahy
Ho fanilo manazava ny fanahy
Andry mihazona ny tokan-trano
Feo mangan'ny mpitantara angano
Ala maintso sy hiram-boronkely
Ny alahelo tsy hitranga velively
satria ianao no mitoetra ato anaty
Ny fiarahana hitoetra mandra-maty.
Ianao ilay voninkazo manim-pofona
Izato tonon-kiranao manintona ny sofina
Maha te hihaino lalan-dava
Ianao foana no voatonona ao am-bava
--------
Rohy:
Sokajy :
FITIAVANA
Mpakafy:
Arimalala
Hevitra mandeha
josiarno
(
08/02/2005 18:33)
razafimamonjy....te hahafantatra bebe kokoa ny mombamomba anao ny tenako....ny anaranao toa milaza zavatra maro amiko
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely RazafimamonjyNampiditra : gasyjean
Daty : 05/02/2005 19:53
