FIFANENANA (R.H.A. Nary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay tena tao am-pony tsy fantatro mihitsy
tsy haiko nozahàna,
fa teo an-tenantenana làlana mahitsy
no nifanenana,
Izaho,izaho irery
izy izy irery...

Vao teny lavitra izy dia hitako nijery
dia mody tsy nahita
angamba tsy ampy hery
hiatrehana ny ditran'
ny masoko tsy niery
variana fa voasariky
ny toetra mifangariky
ny haingo tsara voatrany
sy ny hena-tafahoatrany.

Naleoko dia nahisako ny zotran'ny fijeriko
kanefa ny eritreritro
tsy nety fa nanaraka ny aloky ny fihetsiny,
dia tsinjoko fa resiny
fa saika nahatonga ny tongony hifamingana...

Fa nony nifanena
ka efa samy lasa in-dray na in-droa nandingana
dia niherika aho nijery nanodina ny lohako
tsy nanampo hoe izy nitodika talohako...
Dia samy vahobahotra
voatery hifampijery,
tsy nahaleo ny herin'
ny saina tsy voafehy
dia samy te hihomehy
dia samy lasa indray...

Dia izay!!
--------
Rohy:
2255 4
Hevitra mandeha
lanto ( 15/09/2006 08:33)
tsara loatra !
ain ( 15/09/2006 17:13)
Tsy misy azo kianina
helitiana ( 18/09/2006 18:06)
anisan'ny tena tononkalo nanaitra ahy tokoa izy io ka izay no antony nampidirako azy teto ,misaotra anareo miara-mankafy amiko
ILIMIMJIVISDI ( 01/10/2015 06:47)
Aoka marina, ny lafatra no ts'hitako!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.H.A. Nary
Nampiditra : helitiana
Daty : 13/09/2006 19:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101