MAHEREZA SAKAIZA! (Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(dika 2.0, Pantoum)« Tarafo ny lanitra ambony fa manga
Todio ny orana fa tsy eo intsony
Araraoty ito andro mibaliaka fitranga
Mba anahazana ito lamba kotan-tomany.
Araraoty ito andro mibaliaka fitranga
Fa fomban’ny maina hatrany am-boalohany
No mitroka ny mando, koa aza atao mahagaga
Fa lalam-piainana ny toa an’izany.
Tsy ho afa-mameno izay heverina ho banga
Ny maty efa lasa nadao ny fiainana an-tany
Koa tarafo ny lanitra ambony fa manga
Ny tomany aza avela hitarazoka hankarary.
Ny maty efa lasa nadao ny fiainana an-tany
Tsy ho afa-mameno izay heverina ho banga
Koa andao re hotohizana ireo soa sy ireo mamy
Niaraha-niaina, niaraha-nilanja.”
Rinhary
(rakoto-rakotomalala
rivoniRINHARInala)
12 martsa 2014
--------
Rohy:
Mpakafy:
hery
Hevitra mandeha
Rinhary
(
19/06/2024 09:46)
Principe de base du pantoum: la répétition
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInalaNampiditra : Rinhary
Daty : 19/06/2024 09:44