FA..... (RMLYDIA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FA…..Fa raha mbola misy ny andro
Ka mbola hiposaka koa ny masoandro
Dia tsy mba ho foana ny fanantenako
Ary izany dia tsy mba hisalasalako
Fa raha mbola misy ny maraina
Izaho dia hiezaka ka tsy halaina
Fa ny anjara dia ao aloha ao
Ka izaho tsy ho kivy na hitalao
Fa ny alina dia mbola hazava
Ary ireo fahoriako dia mbola hisava
Eny handroso aho ary tsy ho ketraka
Na dia misy aza ireo mangidy sy mavesatra
Fa mbola ho tonga ilay fahasambarana
Ary ny fijaliana dia mbola hifarana
Satria boribory anie ity tany ity
Ka hihetry ny olana na dia toy ny vy
......
Fa fahendrena no miandry
Sanatria tsy hamoifo na dia tsy tafandry
Fa « globe » ity tany ka miodina ihany
Koa mahereza aza kivy izany
Raharinantenaintsoa Marie Lydia (03/03/2009)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana