TSAROANY FOANA IANAO (RN.alpha)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAROANA FOANA IANAO.

Na faly izy na hory
N'inon'inona atao,
Na mifoa io na matory
Dia tsaroany foana ianao.

Na aiza n'aiza aleha,
Dia tsy taitra randram-bao,
Fa ny hany teniny dia hoe:
Mbola tsaroany foana ianao.

Ny hirahira sy ny kalo,
Sarisary izay fanao
Dia mbola hita tsy atakalo
Sy tsaroany foana ianao.

Ny tarakevitra ijoroany,
Sy ny kanto anatiny ao,
maneho fa mbola ao am-pony
Sy tsaroany foana ianao.

Efa voady mantsy ny azy
Dina efa natao
Na nodikaina tsy ahavoasazy,
Dia tsaroany foana ianao.

RN ALPHA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
105 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RN.alpha
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 24/09/2024 10:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143