Mitady fitiavanao (RODER)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza atao hoe adala aho re malala,
Fa ny foko efa voasarika taminao tsy afaka miala.
Tsy hadalana ny tia, fa hafanana ao anaty fo,
Satria tia be anao aho, mihoatra noho izay fantatrao.

Raha indraindray mangina aho mijery anao,
Dia ny foko manonofy ny hahazo fitiavanao.
Ny tsikinao mamelona fanantenana ao anatiko,
Toy ny masoandro miposaka manazava ny diako.

Aza omenantsiny aho raha manakaiky anao,
Fa ny fitiavako tsy misy fitaka na lainga ao.
Ny foko mangataka toerana kely ao am-ponao,
Satria ny nofiko rehetra dia miaina ao aminao.

Koa aza atao hoe adala aho raha milaza izany,
Fa ny fitiavana no mampihetsika ny fanahiko manontolo amin’izany.
Raha misy hadisoako, dia ny foko tia loatra anao,
Fa mbola mitoetra eto foana… mitady fitiavanao.

RODER,9 Mars 2026
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fiainana - Fitiavana
71 1
Mpakafy: RODER
Hevitra mandeha
RODER ( 09/03/2026 03:20)
Mitady fitiavanao
RODER ( 09/03/2026 03:20)
Mitady fitiavanao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124