NOFY SISA (Malala)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro ilay malalako fa tazako nandalo
Nisakambina mafy ilay ho fahavalo(ko)
Nangaihay ery sy voantsindron'izato foko
Fa tsy ho ahy intsony ity olona tsy foiko.

Latsaka ny ranomaso, ary tohina tokoa
Nisafotofoto, nipararetra sy tezitra ty fo
Tsy hanozona aho akia na koa hiantso tody
Ny miezaka hanadino anao no hany fanafody

Satriko raha ny tanako ihany no fihininao
Dia ny molotro irery no hany orohanao
Dia ny zana-tsika no ho ao am bohokao
Ary ny fasana hilevenako no hisy anao

Saingy nofy sisa ireny rehetra ireny
Ankehitriny mahantra aho, manirery
Fa noratrainao sy noravainao ilay nofiko
Ny mivavaka ho anao sisa hany adidiko

Tompo รด !tahionao ilay malalako iny
Tsy ahy intsony kay fa an'iny olona iny
Nefa azoko atao ny mangataka aminao
Ny hiarovanao azy ho ambany elatrao.


08 Mai 2013 - BABO
Malala
--------
Rohy:
1872 2
Mpakafy: maizina max - Safosafo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Malala
Nampiditra : Safosafo
Daty : 08/05/2013 12:09
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141