ATAMBO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nahay nanoratra ilay olona izay dia ity tononkalo ity no nalefany ho ahy . . .

ATAMBO

Niseram-betivety ihany
toa rivo-doza nitatao
ka nandringana ny tany
izato fandalovanao

Nandalo andro vitsy monja
toy ny tafiotra iray mahery
ny sanginao narahin'onja
ka izay natsangako dia very

Natselatrao indray mandeha
ny herin'aratra tanatiko
k'ilay afoko nireda be
hatramin'izao tsy mety matiko

Noseraninao indray maka
izato kianjan'ny fitiavako
ka dia nihalalina ny faka
tsy voaongotro, voaravako

Nokorontaninao mpandalo
ireo rindran-damin'ity vatana
k'ireo takaitra nampimalo
mamana lava izato fatana

Voaviranao ny hetahetako
dia nanazaranao ny nofoko
k'andrasako ary koa hiaretako
ny fiverenanao ry rofiko
--------
Rohy:
1331 0
Hevitra mandeha
katiaa ( 23/02/2007 15:44)
ie ;-)
Ryana ( 25/02/2007 17:45)
Nefa mety hoe izao koa no nosoratany, satria mahay mampionon-tena izy:

TSY HO AHY !

Efa fantatro anie f’iny namako iray iny,
Dia hiserana ihany, handalo satria mpivahiny ;
Efa fantatro ihany koa, fa ny foko no adala,
Nanantena hampiantrano vorona handao ny ala...
Fantatro fa samihafa
Ny tontolo misy anay,
Raha an-tserasera no mitafa
Dia mitovy izahay...

Efa fantatro anie fa fitserana ahy ihany
No nahatonga azy niondrika, nanarina ahy tam’ny tany;
Efa fantatro, f’izaho no te handrebireby saina,
Ka niandrandra fa amin’azy no hizarako ireo maraina...
Fantatro fa diso aho
Nanantena diavolana,
Kinanjo orambe mitraho
No namonto ity foko tonana!

Efa fantatro anie fa raha ny marina no marina,
Tsy ny toa ahy mihitsy no mba iriany hofantarina;
Fa noho ny fony antra olona, ary noho ny fiaraha-monina,
No nahatonga azy nampahery, nampionona;
Kinanjo hafa no niseho,
F’izaho nareniny indray
No niangavy, nitoreo
Hoe aoka hisy ny “izahay”...

Fantatro, izy tsy ho ahy, ka ny mba teniko farany,
Fahasambarana ho ahy ny nifanojoako tamin’ny làlany,
Lahatra samihafa mihitsy no voasoratra ho anay,
Faly aho nahalala’azy... ataoko ampy ho ahy izay!
Isaorako ny Ao Ambony,
Ary mbola hiangaviako,
Hanome ahy fo tony
Hanohizako ny diako...

Ryana
(28/03/03)
scotlandyard ( 25/02/2007 21:44)
HAIKO

Ekeko marina ny anao ka ny fara fiononako
Dia ireo tahiry mamy tao anaty tonantonako
Izay voarakitro anaty, ho diary vita sikotra
Tomboka vatsa naka toerana ary koa tena nifikitra

Ekeko marina ny anao, satria izy mpivahiny
K’izay rehetra vita tany, ts’isy hifanomezan-tsiny
Fa hadalana novitaina tao anaty fahamatorana
Ka samy halalaka ny saina, tsy hisy tady ifamatorana

Haiko izy fa tsy ho ahy, efa fantatro ny fiainany
Fa halatralatra ny ahy, ilay nizara ny marainany
Ka na dia namaka aza, ireo tsaingoka fitia,
Dia tsy tompony aho akory fa sendra mba nangala-dia

Haiko izy fa tsy ho ahy, fa lalan-kafa no hizorany
Ary tanjona hafa mihitsy no iriny sy ifotorany
Koa ataoko ampy ahy, ireo fahota-tsinahy
Hampiangoiko ny tantarako, isaky izay mahatsiahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099