Rova (soama)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ROVA

Mba hamafàko ny adin-tsaina
Izay mampiferin'aina,
Nohon'ny faharavàna
Niseho tany an-tanàna,
Izay nataon'ilay mavàny.
Tena ankaso loza an-tany!
Dia tononkalo tsotra
Avy ao am-po mipololotra
No hany arindra ankehitriny.
Ho an'ny Rovanay fahiny.

Ravarava ianao, nikoro.
Vato zara raha mijoro.
Toa poak'aty babangoana,
Tsisy endrika ary moana!
Potipotika sy may
'Lay rehareha fahizay.
Ny toe-javatra toy izao
Dia mangidy mankalao.
Mampalahelo ianao ry taniko.
Ry Gasikara mamiko

Rova simba tsy hay jerena!
Ry fireneko very harena.
Rova may ka nianjera,
Ry fireneko mihevera.
Rova lavo mahonena.
Ry fireneko miarena.
Rova rava tapa-doha.
Ry fireneko mijoroa.
Rova levona mampanahy.
Ry fireneko mitrakà.

soama 10.01.96
--------
Rohy:
3190 1
Hevitra mandeha
ibitika ( 09/01/2023 22:53)
Miarahaba. misaotra an' Ikalamako nampiakanjo feo amin' ny antsa an' ity tononkalo noforoniko ity. Mankasitraka tompoko.
ikalamako ( 11/01/2023 14:59)
Am-pitiavana foana e. Mandrosoa hasina !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : soama
Nampiditra : soama
Daty : 09/11/2003 01:43
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097