Ry natiora (sodifafana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry natiora

Mba hotrony ry natiora reto hava-maminao
Nifandefitra ao am-po hanambatra ny hoavy
Naniry ny ho doria hiriria ka avelao
Hahazo fahafahana lay voalahatra ho azy

Ianao ry volana iny ambony mandrenesa
Mijanona ka hatreho dieny zao
Ilay voady ho mandra-maty tsisy fetra
Zay voatonon’ilay vava tsy handao

Ry habakabaka fonenan’ny fanahy
Hombao fanambinana reto zaza mba maniry
Hiara-dalana, hiara-dia tsy aminahy
Hatsangano ihany na dia lavao im-piry

Ry havoana mitomandavana hatraiza
Aza dia malama na votoina amin’ny zaza
Mandefera moa e! Adala mantsy zay tinaiza
Nefa! enao no mahalala zay sahaza

Mba halofy ndray koa ry ala manoloana
Mafy ny ankaso tsy hay tohaina fa mahery
Ny fahavalo an’alin-kisa mieloelo foanafoana
Zahay nefa tanam-polo kely hery ka manjeny

Ray sy reny mba tonony zao ankehitriny zao
Lay tso-drano mamy, aro-fanina mateza
Ka tsy ho azon-tsampona anie ny zanakao
Na handia lala-tsarotra , fiakarana mideza

HARY anio 09/12/09
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1150 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : sodifafana
Nampiditra : sodifafana
Daty : 28/12/2009 09:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132