**RY TANIKO** (Tahina Fabien)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
**RY TANIKO**
Ianao ry taniko
Ianao no mamiko
Ianao no andriko
Anao koa ny sandriko
.
Raha mbola nosy tiko
Dia ianao ilay niaviko
Tsy atakaloko ninon'inona
Na mahatra tsy manina
.
Naitako ny masoandro
Ka natokako ho tsara
Izay mampiaina ahy isan'andro
Dia ianao ry Gasikara
.
Ilay tany niaviko
Ahitana zava-tsoa
Ka na potika tsy hariko
Fa hoventsoako ato am-po
.
Irarina mba ho tsara
Ireo mponina ao aminao
Ka hofongorana ireo tsivalahara
Izay hita fa hamotika anao
.
Hotahina anie ianao
Ka amokatra izay volena
Ho tany lemaka avokoa
Hamoky ireo mahonena
.
Ry taniko o!Hoaminao anie ny RAY
Ny soa sy ny tsara anie no haharitra mandrakizay
Tsy ahitana teny ratsy na faikany ihany koa
Fa ianao ilay hany tany ifandimbiasan'ny soa
.
Velokira zato foko
Raha mahita izany
Ka ny fanirina tsy andao
Fa mba hiaina eto ihany
.
Raha milofika ny nofo
Dia mbola ianao no anarona
Izany handrin'ity foko
Mikatsaka anao ho marina
.
Tsy rediredy sanatria
Fa teny avy ao am-po
Fa ianao no valam-parihy
Raha iny aho ka manjoko
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096